<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Mba faingana re, ry mino FFPM654</title>
<lyrics>[V1]
 Mba faingàna re, ry mino,
 Aza mba tamana atý ;
 Ary aza manadino
 Ny anjaranao arý.
 Ny Mpamonjy anao
 No manangana faneva,
 Ary mampihevaheva
 Azy eo alohanao.

[V2]
 Marobe no mba mitady
 Ny fiainana vaovao,
 Nefa kosa tsy miady
 Amin'izao tontolo izao.
 Ny Mpamonjy anao, ..sns.

[V3]
 Koa raiso ny ampinga,
 Tano re ny sabatrao,
 Fa izany mahakinga
 Ny mpandeha toa anao.
 Ny Mpamonjy anao, ..sns.

[V4]
 He, akaiky anao Kanana,
 Tany hovantaninao ;
 Ary any hy tanàna
 Misy ny anjaranao.
 Ny Mpamonjy anao, ..sns.</lyrics>
<hymn_number>654</hymn_number>
</song>